Ho an'ny firenena

Ry Md Paoly Apôstôlin'
ny firenen-drehetra,
Jereo am-pitiavana ity firenenay ity
sy ny vahoakany.
Nitatra ny fonao mba handray
ny olon-drehetra sy hitondra
azy ao amin'ny fiadanana.
Ankehitriny, ny fitiavan'i Kristy anie
hanosika anay hitondra ny fanilon'ny Vaovao Mahafaly
sy hanorina ny fanjakan' ny fitiava-namana.
Ataovy vonon-kandray an'i Jesoa Mpampianatra ny fon'ny olona hahitany ny tena fiadanana marina.
Ry Md Paoly, tahio ny firenenay

1 commentaire:

Kalaneny a dit…

Misaotra betsaka Sandrine noho ny fandalovanao tao amin'ny pejiko. Maniry indrindra ny filaminana eto amin'ny firenentsika ary mivavak ho an'izany mandrakariva.

Samy ho tahian'ny Tompo isika rehetra