Salamo 30

Tsoahy amin'ny harato nafenina aho,
fa ianao no heriko!
Apetrako eo an-tananao ny aiko,
avoty aho ry Tompo Andriamanitra.

Henoko ny vavan'ny maro,
horohoro hatraiza hatraiza!
Miara-mioko izy hahavoa,
mifofo hahala ny aiko.

Fa izaho ry Tompo, mifefy aminao!
Andriamaitro ianao:
eo an-tananao ny androko
Afaho amin'ny fahavalo sy mpanenjika aho!