Ampianaro izahay, ryTompo,

hahay hanisa ny andronay,
ka ho ao am-ponay anie
ny fahendrena!
Vokiso ny hatsaram-ponao izahay
ny maraina
ka ho faly sy hihoby amin'ny andronay rehetra.
Ho aminay anie ny halemem-panahin'ny
Tompo Andriamanitray
Ny mason'ny Tompo mitsinjo izay matahotra azy;