Sal 90

Ho aminay anie ny hatsaram-pon'ny Tompo

Ampianaro izahay, ryTompo,
hahay hanisa ny andronay,
ka ho ao am-ponay anie
ny fahendrena!
Vokiso ny hatsaram-ponao izahay
ny maraina
ka ho faly sy hihoby amin'ny andronay rehetra.
Ho aminay anie ny halemem-panahin'ny
Tompo Andriamanitray
Aza revon' ny ambany maso fa aoka ho avo fijery

Faly miarahaba antsika tratr'izao fotoan-dehibe amin'ny taona litorjika izao, izay antsointsika hoe "Fiaviana". Ny Fiaviana dia fotoana iray anentanana antsika kristianina mba hiambina ny fahatongavan'i Kristy eo amin'ny fiainantrsika, hatoky Azy ary hibebaka. Ao anatin'ny vavaka no iandrasantsika Azy: http://viechretienne.catholique.org/prieres/temps-liturgiques/6851-priere-pour-l-avent

Sal 73

Ny tananao no mitantana ahy!

Eo anilanao mandrakariva aho,
hazoninao ny tanako havanana,
Andriamanitra no vatolampin'ny foko.
Andriamanitra no anjarako mandrakizay.
Ho ahy ny hasambarana dia eo anilan'
Andriamanitra.
Mialoka eo akaikiny aho
mba hitanisa ny asany rehetra

Ao Aminao no ifalian'ny fonay

Ny mason'ny Tompo mitsinjo izay matahotra azy;
ny hatsaram-pony amin'izay mitoky aminy.
Ny fanahintsika manantena ny Tompo.
Izy no vonjy sy ampingantsika.
Ao aminy no ifalian'ny fontsika,
ny Anarany masina indrindra no itokisantsika.
Ho aminay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo,
araka ny itokianay Anao!

(Sala 33)

Salamo 30

Tsoahy amin'ny harato nafenina aho,
fa ianao no heriko!
Apetrako eo an-tananao ny aiko,
avoty aho ry Tompo Andriamanitra.

Henoko ny vavan'ny maro,
horohoro hatraiza hatraiza!
Miara-mioko izy hahavoa,
mifofo hahala ny aiko.

Fa izaho ry Tompo, mifefy aminao!
Andriamaitro ianao:
eo an-tananao ny androko
Afaho amin'ny fahavalo sy mpanenjika aho!