Aza revon' ny ambany maso fa aoka ho avo fijery

Faly miarahaba antsika tratr'izao fotoan-dehibe amin'ny taona litorjika izao, izay antsointsika hoe "Fiaviana". Ny Fiaviana dia fotoana iray anentanana antsika kristianina mba hiambina ny fahatongavan'i Kristy eo amin'ny fiainantrsika, hatoky Azy ary hibebaka. Ao anatin'ny vavaka no iandrasantsika Azy: http://viechretienne.catholique.org/prieres/temps-liturgiques/6851-priere-pour-l-avent

Sal 73

Ny tananao no mitantana ahy!

Eo anilanao mandrakariva aho,
hazoninao ny tanako havanana,
Andriamanitra no vatolampin'ny foko.
Andriamanitra no anjarako mandrakizay.
Ho ahy ny hasambarana dia eo anilan'
Andriamanitra.
Mialoka eo akaikiny aho
mba hitanisa ny asany rehetra