Ao Aminao no ifalian'ny fonay

Ny mason'ny Tompo mitsinjo izay matahotra azy;
ny hatsaram-pony amin'izay mitoky aminy.
Ny fanahintsika manantena ny Tompo.
Izy no vonjy sy ampingantsika.
Ao aminy no ifalian'ny fontsika,
ny Anarany masina indrindra no itokisantsika.
Ho aminay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo,
araka ny itokianay Anao!

(Sala 33)